- Publicité -
lundi, novembre 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaratsiho : Nokapainy ny famaky ilay ramatoa rehefa tsy nanaiky naolana

Faratsiho : Nokapainy ny famaky ilay ramatoa rehefa tsy nanaiky naolana

Raim-pianakaviana iray monina ao Beseva, kaominina Ramainandro, distrika Faratsiho no voatery nosamborin’ny zandary, ny faran’ny herinandro teo, noho ity farany voarohirohy tamin’ny resaka fikasana hanolana renim-pianakaviana iray. Tsy vitan’ny fanolanana ihany anefa fa nitohy tamin’ny herisetra izay niteraka fandratrana ary fanendahana. Ny zava-nisy : ny alarobia lasa teo, vehivavy iray, handeha halonjy fodiana any Ramainandro, raha avy any Faratsiho no nifanena tamin’ny lehilahy iray, teo am-pikapana hazo teo amoron-dalana. Mangingina ny toerana ka tsy nisalasala ny anao lahy handeha hanararaotra ara-nofo ity vehivavy nifanena taminy. Tsy nanaiky hatramin’ny farany ary nanohitra mafy anefa ilay renim-pianakaviana ka hany herin-dranamana dia nampiasa ny famaky teny aminy. Nalainy an-keriny izay vola sy finday tany amin’ity lasibatra ary nolerany tamin’ny zaram-pamaky ny lohany. Nitsoaka toy tsy teo ingahy nony avy eo. Naratra mafy vokatr’izay ilay ramatoa saingy afaka niantso vonjy. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary ary nanao ny fanadihadiana. Voalaza moa fa fantatr’ity ramatoa ity tsara ny endrik’ilay nahavanon-doza saingy tsy fantany kosa ny anarany. Mazava fa tsy maintsy olona mipetraka eny amin’ny manodidina eny ihany izany. Rehefa nandeha ny fikarohana dia fantatra ihany ity lehilahy 24 taona nahavanon-doza ity, izay tsy aiza tokoa fa monina ao Beseva ihany. Tetsy an-danin’izay namarina ilay lasibatra fa io ilay nanendaka sy saika hanolana azy. Tsy afa-nandà intsony araka izany ity lehilahy ity ary niaiky ny heloka nataony. Nosamborina avy hatrany ary nentina nihazo ny biraon’ny zandary sy notanana natao andrimaso, ho amin’ny famotorana azy. Mbola ao anatin’ny fakàna am-bavany azy ireo zandary avy eo anivon’ny tobim-paritra Faratsiho amin’izao ary aorian’izay ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici