Manahy mafy tanteraka ny eo amin’ny sehatry ny fiadidiana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana manolona ny hetsika hitranga rahampitso. Eto an-drenivohitra, ho an’ny alin’ny alarobia dia efa misy tompon’andraikitry ny toby nanome baiko fa mijanona tsy mahazo mivoaka ao intsony ny miaramilany. Ny alakamisy koa dia torak’izany. Na iza na iza dia « consigné » avokoa ary indimy isan’andro ny fampivondronana sy ny fanamarinana hatao. Tsy izay ihany fa nampiakarina eto Tanà avokoa hatramin’ireo izay mbola manaraka fampianarana any anaty sekolin’ny mpitandro ny filaminana. Isan’izany Antsirabe, Ambositra ary Moramanga. Toraka izany koa ireo any amin’ny toby maro izay tsy dia lavitra ny faritra Analamanga. Faran’izay avo araka izany ny ambana, raha araka ireo fepetra noraisin’ny mpitandro ny filaminana ireo. Etsy ankilan’izay, mitohy ihany ny fifampihantsiana maro isan-karazany eny amin’ny tambajotra sosialy ary ny tsikaritra dia efa mamaly koa ireo olona ambony eo amin’ny fitondràna ary mitovy lenta amin’ny ataon’ny andaniny ihany ny famaly. Mifampihantsy tanteraka ary toa vao mainka mandrehitra ny fikasàn’ny mpanara-baovao maro ny amin’ny raharaha 25 septambra. Tsy misy afa-tsy io ny resaka eny amin’ny tambajotra sosialy ary na ny fanodikodinan-tsaina amin’ny resaka vetaveta aza dia tsikaritra ho tsy misy miraharaha sy manaraka firy intsony, satria ao amin’ny raharaha 25 septambra avokoa ny maso sy ny fanehoan-kevitry ny olona. Ny eo anivon’ny fanoherana indray dia mbola manentana fa hetsika tsotra no hatao fa tsy mizotra any amin’ny fanimbàna fananan’olona. Ho voafehy ve ny maro an’isa izay efa nisotro ranom-potaka nandritra ny taona maro sy tsy nisasa raha tsy indray na indroa isan-kerinandro ary miaina amin’ny maizina mandavan-taona kanefa mandoa faktiora ara-dalàna, raha toa ka tena ho tonga hamaly ny fiantsoana ? Hangotraka tanteraka Antananarivo ny alakamisy izao raha toa ka tena ho avy ny olona leo delestazy.
D.R




Commenter :misy milaza we olombitsy,tsy mahatarika olona,nefa may volontratra tanteraka,tsy tapaka mihintsy ny jiro 2 andro zay fa tsy mahasakana ny olona zani,aleo ampahatsiahivina ny mpitondra fa nampindramina azy ny fahefana ary tsy anazy irery ity firenena ity,
Aza hadino fa : Ny adidy sy andraikitra voalohany ho an’ny fahefana manan-kery misy , dia ny fampiarana ny làlana velona eo aminay. Procédure io.
Tsy miankina @ ny fitiavana na fankahalana mpitondra izany. Andraikitra no misy.
Raha manana alalana dia, hizory ny dia.ENY
Raha mifanohatra no misy, ka TSY, mahaiza mitsako sao kenda.
Ny tendro po raha teo tsy mba namana.
An’ ny tsirairay no mametraka fanontaniana hoe : manala olana va ? ny fambolena an’zany .
Ianareo mpomba fitondrana mihitsy no mampihomehy: tadidio fa fanonganam-panjakana no niakaranareo teo, ka AZA MIANA-KENDRY MANANATRA NY MALAGASY HOE: TSY METY NY FANONGANAM-PANJAKANA FA MAL PLACÉ IANAREO : c’est ce qu’on appelle L’IRONIE DU SORT! Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. Mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka ngah ianareo? Tsy jamba zalah Ilay niteny hoe: AHY NY FAMALIANA! Bon cauchemar les mapar