- Publicité -
mercredi, septembre 24, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Fasana nandevenana olona voan’ny pesta, nisy namaky

Tsiroanomandidy : Fasana nandevenana olona voan’ny pesta, nisy namaky

Voaroba hatramin’ny fasan’ireo olona voan’ny pesta! Nitrangan’ny vaky fasana ny sabotsy lasa teo tao Ampahirinomby, kaominina Fihaonana, distrikan’i Tsiroanomandidy. Fasana roa raha ny voalaza, no noloaran’ny asa ratsin’ireo mpangalatra taolam-paty. Ny iray tamin’ireo nadanadan’ireo olon-dratsy ireo anefa dia fasana mety hampidi-doza ny velona …

Tamin’io andro io, olona sendra nandalo no nahatsikaritra ny zava-nisy ary nampilaza avy hatrany ny tompon’andraikitra sy ny mpitandro filaminana. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo mpitsabo, nisalotra irony aron’akanjo manga irony niaraka tamin’ny ranom-panafody. Tamin’ny fampandrenesana ity fasana vaky ity mantsy, izay niisa roa, dia fantatra fa ny iray tamin’ireo dia fasana nandevenana ireo olona maty, nararin’ny pesta tamin’ny fotoan’androny. Marihina moa fa nolavahan’ireo tsy mataho-tody fotsiny ny fasana iray ary tsy nokitihana ny razana tao anatiny. Tsy nisy nahalala izay isan’ny razana tao amin’ilay iray kosa ireo teny an-toerana hany ka tsy fantatra mazava na nisy taolambalo very na tsia.

Raha ny fanazavana azo dia nisy avy hatrany famendarahana ranom-panafody teo amin’ny manodidina ilay fasan’ny pesta vaky. Efa ao anatin’ny fanadihadiana sy fikarohana ireo nahavanon-doza kosa tetsy an-danin’izay ireo zandary any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici