- Publicité -
vendredi, septembre 26, 2025
AccueilFaits-Divers25 septambra : Voadaroka koa ny mpanao gazety

25 septambra : Voadaroka koa ny mpanao gazety

Niady mafy koa ny mpanao gazety tamin’ny fanatontosana ny asany. Nisy ny voadaroka. Mpanao gazety an-tsoratra iray no voadaroky ny mpitandro ny filaminana teny an-kianja. Tsy dia nisy antony loatra ankoatry ny fangalàny sady an-telefaonina ny zava-nitranga. Tsy nanelingelina na nanakorontana akory ilay mpiasa an-gazety fa nanao ny asany ara-dalàna. Nisy iray hafa koa izay nianjera noho ny tosika. Nisy mantsy ny tifitra tamin’ny bala tena izy ary raha nandre izany rehetra dia nisahotaka. Teo no nisy nianjera ary isan’izany ny mpampita vaovao tamin’ny fahitalavitra iray. Haingana be ny fivoaran’ny raharaha omaly. Resy Népal raha ny adim-pamataranandro no isaina. Tany mbola roa andro nisesy fa teto kosa tao anatin’ny 12 ora monja dia efa may izay nokendren’ny mpanao fihetsiketsehana ary mbola nisy fivoarany be aza izany omaly alina. Ny mpanao gazety indray dia samy niady tamin’ny fiarovany ny ainy ary ny mba hany nanampy tamin’ny asa dia ny ankanjo famantarana manokana (gilet de presse). Tsy nisy nandraharaha intsony anefa izany rehefa tena raikitra ny sakoroka ary toa mainka aza iny indray no anton’ny fidarohana satria nanalingelina ny moitandro ny filaminana nanararaom-pahefana, andaniny, sy ny mpandoto rano ny tolona dia ireo bokonozatra nandroba (ankilany). Hatramin’ny alim-be dia mbola niparitaka ny mpanao gazety ary niady aman’aina hatrany. Arahina hatrany ny tohin’ny raharaha.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici