
Raha ny zava-nisy sy niainana teny an-toerana dia azo lazaina fa efa tena tofoka sy leo tanteraka ireo olona mpitaky ny zony. Hany ka na teo aza ny tifitra baomba mandatsa-dranomaso tsy an-kijanona nataon’ireo mpitandro filaminana dia tsy nahakivy ireo olona tonga teny amin’iny faritra Ambohijatovo sy ny manodidina iny. Fa toa vao maika aza nanamafy indray ny risim-pon’izy ireo ary ny … hatezeran’ireo sasany ihany koa tetsy andanin’izay. Nandritry ny fifandonana teny an-toerana mantsy dia maromaro tamin’ireo mpitandro filaminana ihany koa no naratra vokatr’izay. Nisy ireo voatora-bato, nisy ihany koa anefa ireo voasambotr’ireo mpanao fihetsiketsehana tsotr’izao ka niharan’ny daroka ihany koa, teo Ambohidahy teo. Raha ny isa tsy mbola ofisialy aloha hatreto fa hita maso teny an-toerana, hatramin’ny ora nialànay teny an-toerana dia nisy teo amin’ny enina teo ho eo. Azo eriteretina sy hazavaina ihany ny fahatezeran’ireo mpitaky ny zony satria niaritra ny ngidin’ireo baomba mandatsa-dranomaso isan-karazany, ireo tanora tonga teny Ambohijatovo. Tanora, tsy nanana afa-tsy tanam-polo sy taratasy fotsy misy ny fitakiany, kanefa « lacrymogène » no setriny ankoatry ny daroka sy ny setrasetran’ireo mpitandro filaminana sasantsany, indrindra fa ireo teo anivon’ny vondrona manokan’ny zandary, na ny GSIS. Ireto farany izay manao ho fahavalo ireo mpanao fihetsiketsehana ary toa tsy mihevitra intsony fa olona tsy manana fitaovam-piadiana akory ireto manatrika azy ireto. Ny tena mampalahelo sy mahazendana aza moa dia na hatramin’ireo mpanao gazety manao ny asany eny an-kianja aza dia sady voaompa, voadaroka ary misy manao fanahy iniana mitoraka baomba mandatsa-dranomaso mihitsy …
m.L