- Publicité -
dimanche, novembre 16, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Noterena hanome lasantsy tamin’ny tavoahangy ny pompiste

Ankorondrano : Noterena hanome lasantsy tamin’ny tavoahangy ny pompiste

Tanora marobe izay mpandroba no indray tonga teo amin’ny toeram-pivarotan-dasantsy iray teo Ankorondrano. Saika horobain’ireo ny vola rehetra teny amin’ny mpivarotra saingy ny niafarany dia ny lasantsy no nalaina. Izay tavoahangy rehetra avy nisotroan’ireo rano dia noterena nofenoina solika. Mazava hoazy fa hanaovana “cocktail molotov” ny tanjon’ireo mpandroba ary dia hita taratra tokoa izany tamin’ny fandorana ireo trano samihafa sy toeram-pivarotana sasany. Isan’ny antony nahatonga ny toeram-pivarotan-tsolika rehetra teto an-drenivohitra nanidy mialoha ny trano izany omaly. Sahirana ny mpanjifa satria zara raha nisy nisokatra ary dia filaharambe ho an’izay sendra mbola nanohy kely ny asa. Mailo tanteraka ny “station d’essence” rehetra omaly ary mbola mety hitohy aza izany, araka izay fivoaran’ny toe-draharaha raha araka ny fanazavan’ny mpitantana iray. Samy mba nanao izay ho afany ny olona omaly nanao betsaka lasantsy, arak’izay toem-pahasalaman’ny paosy.  Tao ny nameno ary tao no nanao izay zakan’ny vola nanànana. Mila harovana haingana ny mpivarotra solika satria ain-dehiben’ny maro no voatohitohina raha miverimberina ny fanidina toeram-pivarotan-tsolika.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici