- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazomanga : Mpitarika sarety naratra mafy voadonan’ny fiara

Ankazomanga : Mpitarika sarety naratra mafy voadonan’ny fiara

Accident-(3)Omaly efa hariva ihany, tokony ho tany amin’ny 5 ora mahery kely, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny Boulevard de l’Europe eny Ankazomanga. Mpitarika sarety feno entana, no voadonan’ny fiara iray ary tena naratra mafy tokoa. Feno rà ny tarehiny  ary efa nanomboka tsy nahatsiaro tena izy. Ireo entana nentiny niparitaka teo afovoan’ny arabe. Araka ny loharanom-baovao, rehefa nodomina fiara iray ilay sarety dia nifatratra tamina fiara hafa. Tafasitrika tao ambanin’io fiara io mihitsy ilay mpitarika sarety. Avy naka entana tany amin’ny 67 Ha tany izy ka nihazo an’Ankazomanga.

Nangonin’I r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser