Ny zoma alina, nisehoana fanafihan-jiolahy teny amin’ny tanàna antsoina hoe Maharavo fokontany Ambohitsiroa Ambohidratrimo. Ny loharanom-baovao no nahalalana, fa mpandroba fito nitondra basy no nangalatra tao amina fianakaviana telo mipetraka amina trano lehibe iray. Nasesin’ireo jiolahy nidirana ireo trano. Tao amin’ny tokatrano voalohany, voaambana basy ny rehetra ary tsy nisy sahy nihetsika. Ny vola no notadiavin’ireo olon-dratsy. Rehefa nahazo tao izy ireo dia nifindra tao amina efitra faharoa nisy fianakaviana hafa. Sahala ilay teo aloha ihany, voarahona ny tompon’ny trano ary dia naka izay tiany ireo mpangalatra. Raha vao nahazo izany izy ireo dia lasa nivoaka. Tsy nandeha lavitra anefa fa mbola nanohy ny fandrobana hatrany. Nalaina avokoa na ny vola na ny entana tsara rehetra tao amin’ireo toerana noteteziny ireo. Nahatratra hatrany amin’ny dimy hetsy ariary ny vola very miampy ireo entana. Rehefa hiala ny tanàna ireo bandy ireo, dia nanapoaka basy indroa. Izany dia nampitahorana ireo rehetra mety ho sahy hanaraka. Efa dila elaela izy ireo vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ireo voatafika. Soa aloha fa tsy nisy ny fandratrana na famonoana tamin’ity fanafihana indray mandeha ity. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
r.s.