Ny làlana malama, ny orana mikija dia mikija rahateo, ny asabotsy teo. Taxi-be iray no nivadika sy nivarina tany an-tanimbolin’olona, ny asabotsy maraina tokony ho tamin’ny 7 ora maraina tany ho any, tetsy Nanisana. Naratra mafy vokatr’izany ny mpandeha fito tao anatin’ilay fiara, niaraka tamin’ny mpamily azy. Hatreto, raha ny filazan’ny mpitandro filaminana, dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ity loza ity. Nambaran’ny mpamily mantsy fa nahitana olana ara-teknika ity fiara ity. Ireo mponina teny amin’ny manodidina kosa nanambara fa somary nandeha mafy ity fiara ity, nidina ilay fidinanana. Ny làlana malama etsy an-daniny, nampisolifatra ny kodirana, ka izao nifatratra tany an-tanimbolin’olona izao no niafarany. Ireto fiara ireto, manampatra ny hatsara sy ny hantajaky ny fiara, ka mazàna mandeha mafy sy mifanenjika araka ny voalazan’ireo mponina teny an-toerana ihany. Nalefa avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana kosa ireo naratra ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Fa mbola lozam-pifamoivoizana ihany ary vokatry ny fandehanana mafy, tany Miarinarivo, ny zoma alina teo. Fiara marika « Polo » no nivoaka ny làlana, ka nifatratra tany amin’ny tranon’olona. Tsy nisy ny aina nafoy na izany aza, olona efatra tao anatin’ilay fiara no naratra mafy. Fantatra kosa fa tsy nisy olona tao amin’ilay trano voadona.
m.L