- Publicité -
jeudi, octobre 9, 2025
AccueilFaits-DiversANTSIRABE     HETSIKY NY GEN Z / Naneho ny heviny ihany koa...

ANTSIRABE     HETSIKY NY GEN Z / Naneho ny heviny ihany koa ny mpankafia mozika metaly

Mpanakanto, olon-tsotra mpakafia ny mozika mevesatra, Rock and Metal eto Antsirabe no naneho ny heviny sy ny hetahetany niaraka tamin’ireo mpitolona ny Sabotsy lasa teo. Tsy fikambanana izy ity fa dia natambatry ny fitivana mozika mavesatra ireo tanora nivondrona, niray hina ka naneho izany tamin’ny alalan’ny firotsahana teo alohan’ny tsangambato niaraka tamina sorabaventy “Metalhead from Bira Tsy mila jadona”. Hiaraha mahita hoy ireo tanora ny tsindry sy daroka ataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny vahoaka maneho ny heviny, atao toy ny vono moka ny Malagasy mpiara belona mitaky ny zony ka hatsaharo ny herisetra hoy izy ireo fa teny amin’ny vahoaka ianareo no niainga. Nampiarahana tamina fanamafisam-peo ny hetsika teny amin’ny tsangambato, nahenoana hiram-panafahana mavesatra toy ny an’ny Red Metal. Ankoatra izay, nizara mofo tamin’ireo mahantra nifanena taminy ny Metaly.

Nisaraka teo amin’ny Jirama

Tsy tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ireo mpakafy hira metaly ireto ny fitetezana tanana fa fanehoana am-pilaminana teo amin’ny tsangam-bato no natao, nalalaka rahateo teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena nafahana nanao izany. Ho fialana amin’ireo mpanararaoatra handroba no antony araky ny fanazavana, tsy mbola  nisy rahateo ny lamina maty paika napetraky ny mpitolona. Teo amin’ny Jirama no nitodi-doha niverina nihazo ny araben’ny fahaleovan-tena ny Metaly raha toa ka nanohy ny dihany nizotra nankany Vatofotsy kosa ireo Gez Z sy ny mpanotrona azy maro.

Mpikambana iray tamin’ireo Metaly no nahazo fandrahonana teny andalana rehefa tsy niara-dia tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana nankany Vatofotsy, mazava fa ireo andiana mpandromba no nanao izany, tsy nitsahatra nandresy lahatra mantsy ireto farany fa olo-kendry sy manan-tsaina avokoa ireto mpankafia mozika mavesatra ireto ka tsy azon’ny velam-pandrika.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici