
Ravim-bola sandoka roa alina ariary, miisa efapolo isa (manodidina ny valo hetsy ariary) no tra-tehaky ny polisy tany amin’ity lehilahy iray tao Ambositra ny alatsinainy lasa teo. Eo anatrehan’ny zava-misy iainan’ny firenena amin’izao dia maro tokoa ireo mpanararaotra, indrindra fa amin’ny asa ratsy. Toa izay ity zava-nitranga tao Ambositra ity satria dia nikasa hanaparitaka vola sandoka tany an-toerana ity lehilahy ity. Tao anatin’ny fisafoana ireo faritra tany an-toerana ny pôlisy no nahazo angom-baovao mahakasika ny fisian’olona mampiahiahy tao amin’ny faritra antsoina hoe Avaratr’i Benedictine. Nazava ny fampandrenesana tamin’izay fa mitondra ary mikasa hanaparitaka vola sandoka izany olona izany. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny pôlisy ary nanantanteraka ny fikarohana. Tsy ela dia nifanehatra tamin’ireo mpitandro filaminana mpanao fisafoana ity lehilahy ity. Natao avy hatrany ny fisavàna ary tratra tamin’izay ireo ravim-bola sandoka maromaro. Nogiazana avy hatrany moa izany ary nentina nosamborina ingahirainy. Efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity ary eo am-panaovana famotorana mahakasika azy ireo tompon’andraikitra, entina hikarohana izay loharano niavin’izany vola sandoka izany sy ireo mety ho mpiray tsikombakomba aminy.
m.L