
Taorian’ny fidiran’ny mpitandro filaminana teo anivon’ny tokontany ben’ny mpianatra ao Barikadimy (campus), dia nisambotra mpianatra voalaza fa mpanamboatra “cocktail Molotov” izy ireo, ary nentina teny amin’ny tobin’ny zandary nanaovana fakana am-bavany. Nitohy hatrany anefa ny olana teo amin’ny mpianatra sy ireo mpitandro filaminana izay naharitra mandram-pahariva ny andro, ka raikitra hatrany ny daroka tamin’ny “lacrymogène” avy amin’ny mpitandro filaminana sy ny tora-bato avy amin’ny mpianatra. Ny alatsinainy hariva tokony tamin’ny 06ora hariva anefa dia nandratra mpianatra roa vokatry ny fipoahan’ny baomba “lacrymogène” teny Barikadimy, ka nentina namonjy hopitaly manaram-penitra Morafeno. Samy nahazo fitsaboana avokoa izy roa lahy nentina teny amin’ny hopitaly, na voalaza fa mafimafy ihany ny nanjo ny iray tamin’izany raha naratra teny amin’ny tongony noho ny fipoahan’ny baomba “lacrymogène” teo akaikiny. Vokatra ireo rehetra ireo, tsy fantatra na nisy naratra koa ny mpitandro filaminana, dia nanao tora-bato ho famaliana ny daroka amin’ny entona mandatsa-dranomaso nataon’ny mpitandro filaminana, izay nataon’ireto tanora mpitokona mpitaky ny zo fototrany. Nandritra izany dia nijery ireo naratra teny amin’ny hopitaly ireo olona tsara sitra-po, ary nitondra fanampiana azy ireo na efa nandray andraikitra mikasika izany ny hopitaly. Nanao antso avo nandritra izany ireo tsara sitra-po mba ampitsaharan’ny mpitandro filaminana ny famonoana sy fanimbana ireo tanora mitaky ny zony ara-drariny sy ny zo fototrany.
Malala Didier