- Publicité -
jeudi, octobre 9, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka : « Livreur » voaendaka vao maraina

Behoririka : « Livreur » voaendaka vao maraina

Vao maraina, izany hoe avy naka ny entana tao amin’ny toeram-pivarotana mba haterina any amin’ny mpanjifa. Iny no nohararaotin’ny mpanendaka mba hanatontosàna ny asa ratsiny. Lasa avokoa ny kiraro maromaro izay notaterin’ilay rangahy tamin’ny bisikileta fampisany amin’ny fivezivezena. Omaly maraina no nisian’izany tetsy Behoririka. Niharan’ny daroka ilay rangahy ary nianjera tamin’ny tany rehefa tsy nahatohitra ireo jiolahy. Ny bisikileta sisa no navelan’ireo teo. Toeram-pivarotana kiraro no iasan’ilay « livreur » voaendaka ary asa ivelomany tanteraka ny fanaterana entana amin’io kodiaran-droa voizina io. Soa mba sendra ny mpampiasa tsara toetra ary mba avy hatrany dia nahatakatra fa tsy nisy hadisoany na ny kely aza. Izy aza no voa mafy sy naratra noho ny hetraketraky ny mpanao ratsy. Manomboka miharatsy amin’izay ny tsy fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra rehefa variana any amin’ny kianja politika avokoa ny mpitandro ny filaminana ka adino ny filaminam-bahoaka amin’ny ankapobeny izay tena andraikitra fototra. Vao mainka koa nomena tambin-karama ireo ary lasa mieritreritra fa ny fandravàna ny tolona ihany aloha izao no laharam-pahamehana. Betsaka no mahita fa raha fepetra sy isa natao amin’ny tolona ireny no hampiasaina amin’ny ady amin’ny jiolahy, ho andro vitsy dia tsy misy olon-dratsy intsony Antananarivo. Saingy indrisy, roa andro nifanesy izay dia nisy hatrany ny fanafihana sy fanendahana amin’ny andro atoandro.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici