- Publicité -
samedi, octobre 11, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Lehilahy tra-tehaka niaraka tamin’ny vola sandoka an-tapitrisany

Miarinarivo : Lehilahy tra-tehaka niaraka tamin’ny vola sandoka an-tapitrisany

Fitakiana etsy, fanambarana eroa, fitokonana, korontana, sakoroka … ary ny herisetran’ireo zandary sasantsany moa efa tsy lazaina intsony ! Ao anatin’izay tranga rehetra misy eto amintsika izany dia tsy mikely soroka ihany koa ireo mpanao ratsy, miezaka manararaotra ny toe-java-misy. Anisan’izany ireo mpanao sy mpanarapitaka ireo vola sandoka. Mila fahamailoana avy amin’ny rehetra izy io hoy hatrany ireo mpitandro filaminana fa mihamaro ireo olon-dratsy mikasa hamitaka amin’ny alalan’ny vola sandoka. Ankoatr’ilay tratra tany Ambositra dia nisy iray nopaingorin’ny pôlisy ihany koa tatsy Miarinarivo, ny andron’ny talata lasa teo. Lehilahy 37 taona izy io, raha ny fampitam-baovao ary nahatratrarana vola sandoka mitentina fito hetsy sy iray tapitrisa Ariary tany aminy. Raha ny fanazavana azo hatrany dia teo am-panaovana fifanarahana tamin’ny resaka fividianana omby no sarona ity lehilahy ity. « Tsikaritry ny tompon’ny entana fa tsy tena vola no nomena azy, ka avy hatrany dia nampandre ny Polisim-pirenena ny tenany ». Noraisim-potsiny araka izany ingahirainy. Nosamborina ary nentina notanana natao andrimaso ao amin’ny kaomisarian’ny pôlisy, ho amin’ny fanadihadiana, hoy hatrany ny vaovao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici