Ny faha-02 Oktobra taona 2025 lasa teo iny, tokony tamin’ny sivy ora maraina tany ho any no nahazo antso an-tariby tamin’ireo Zandary miasa any amin’ny » Poste fixe Mahatsinjo atsimo, » any amin’ny tobim-paritra Kandreho, ireo Zandary namany miasa ao amin’ny » Poste fixe Beakana, » any amin’ny kaominina ambanivohitra Andriba, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, satria voalaza fa nizotra nakany ny lalan’ireo malaso roa lahy nitondra ny omby halatra nalainy, tany amin’ny manodidina ny tanànan’i Mahatsinjo atsimo. Rehefa nahare izany ny mpitandro ny filaminana, izay nampitana ny vaovao dia niroso tamin’ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy, tokony tamin’ny 11 ora maraina ny andron’io ihany. Nifanehitra tao amin’ny tobin-dRamora ny telo tonta: Zandary, vatan-dehilahy, jiolahy no raikitra ny fifampitifirana. Vokany: Maty nandritra ny fifanjevona nisy ny dahalo roa lahy no azo ihany koa ny omby halatra niisa roa nagalan’ireto farany. Sady efa nomena ny tompony. Tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy tamin’ireo vatan-dehilahy sy ny mpitandro ny filaminana, tao anatin’ny fifandonana. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa anisan’ny jiolahy gaigilahy amin’ny resaka halatr’omby, ireo lavon’ny bala voalaza etsy aloha ireo.
Ratantely