- Publicité -
mardi, octobre 14, 2025
AccueilFaits-DiversMiaramila sy Zandary : Niravina ny disadisa teo amin’ny roa tonta

Miaramila sy Zandary : Niravina ny disadisa teo amin’ny roa tonta

Nifanaraka ihany ny mpirahalahy. Taorian’ireny disadisa nitranga teo amin’ny zandary sy ny miaramila avy ao amin’ny Tafika Malagasy ka saika nampisara-bazana ireto hery fiarovana sy filaminana ireto dia niravona izany ankehitriny. Nisy omaly ny fihaonana teo amin’ny solontenan’ireo tomponandraikitra avy amin’ny andaniny sy ny ankilany teny amin’ny ministeran’ny Foloalindahy, Ampahibe. Nanatrika izany ny minisi-panjakana miadidy ny zandarimaria Andry Rakotondrazaka sy ny Minisitry ny Foloalindahy Deramasimanjaka Rakotoarivelo ka nandraisan’ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika, ny jeneraly Pikulas Démosthène sy ny kaomadin’ny zandarimariam-pirenena,ny jeneraly Mamelison Mbina Nonos. Nifanaiky ny roa tonta fa tsy vahaolana ny fifandonana, fa tokony hifampiresaka sy hifampihavana amin’ny maha-malagasy. Nisy ihany koa ny fihaonana sy fifampiresahana tamin’ny fianakavian’ireo tafiditra amin’ny raharaha, mba hampitony sy hampiverina ny filaminana. Nanambara ny Lehiben’ny Etamazaoro, ny Jeneraly Pikulas Démosthène fa miverina miara-miasa eny an-kianja ireo foloalindahy rehetra, hiaro ny vahoaka sy hanompo ny firenena. Na izany aza, mitohy kosa ny fanadihadiana momba ireo zandary voatonona fa nihoa-pefy. Namafisiny fa efa misy ireo tomponandraikitra mandinika ny paikady sy ny fepetra entina mamerina tanteraka ny filaminana eto amin’ny firenena, mba hahafahan’ny vahoaka miasa sy mihary am-pilaminana.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici