Fahagagana ny zava-niseho teo amin’ny moron-dranomasina Anosindafaza, fokontany Analamalotra, fa tovovavy iray tokony ho 30 taona maty nentin’ny rano teo amorony no hitan’ny olona nandalo tampoka teny.
Raha nanao famotorana ireo fokonolona dia tovovavy antsoina hoe Francia, monina tao Morafeno, ity maty, izay mipetraka teo akaikin’ny leader pneu. Nanazava hatrany ireo niatrika izany fa niala tao an-tranony tamin’ny 10 ora antoandro izy. Nanomboka teo dia tsy fantatra izay nalehany sy ny nanjo azy, fa ny vatana mangatsiaky sisa no hitan’ny fianakaviany tao anatin’ny tambajotran-tserasera “facebook”, mitsirara teny amoron-dranomasina Analamalotra. Ny nahagaga ireto fianakaviana ireto dia miboridana ny vatany hitan’izy ireo tamin’ny sary, ary ny findainy fitondrany isan’andro sy mbola nentiny nandritra ity fivoahan’ny tranony ity. Efa nalain’ny fianakaviny ny razana ankehitriny, efa nisy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana mikasika ny nahafaty an-dranomasina azy, ka ho hita eo ny marina nahafaty azy. Manahy ny famoanona olona nahazo an-janany ireto fianakaviana saingy tsy manana olona ahiana ao anatin’izany izy ireo.
Ankoatra izany dia nahitana fitokonana tampoka ihany koa tao amin’ny fokontany Tsarakofafa. Ny antony, raha ny fanazavana voaray, dia ny fangatahana ny fametraham-pialan’ny filoham-pokontany tao an-toerana, ho an’ireto fokonolona maro be. Ambaran’ny fokonolona ireto fa manaotao foana ity sefom-pokontany ity, no sady manao didin’ny be sandry, ary manao ny tsy asany intsony amin’ny vahoaka. Nilanja sora-baventy eran’ny fokontany mihitsy ireto fokonolona nandritra izany nolanjainy ny takarivan’ny alatsinainy. Miandry izany fametraham-pialanan’ity sefo fokontany ity ireo vahoaka amin’izao, fa hihamafy ny hetsika raha tsy mety manaisotra azy ny prefektioran’i Toamasina.
Malala Didier