Nidiran’ny miaramila tao amin’ny trano fonenan’ny Loholona Besla. Tamin’ny 2 Ora sy 30 minitra antoandro no nahazo antso an-telefona ny amin’ny lehiben’ny tobim- paritra Ankadikely fa nisy andi-miaramila maromaro tokony ho eo amin’ny 10 eo miaraka amin’ny fiara mifono vy mainty tonga tao amin’ilay ny trano fonenan’ny Loholona ao Manazary, fokotany io ihany, komina Ankadikely. Nidina ifotony teny an-toerana ny zandary miasa ao amin’ ny borigaey Ankadikely sy ny poste fixe Mandrosoa Ilafy mba hijery ny tena zavanisy marina. Tonga tao amin’ny vavahady ireo miaramila manao fanamiana sy misaron-tava miaraka amin’ny basy lava marovava. Nandondona ary nanome baiko ny mpiasa an-trano mba hamoha ny vavahady. Tsy nisy afaka nihetsika ireo mpiambina tao satria dia voambana basy, niditra ny trano ireo miaramila ary nisava ny efitrano rehetra. Voalaza fa nisy miaramila miisa roa mpiambina tao ka niaraka tamin’ireo miaramila nitondra fiara mifono vy rehefa niala izy ireo. Tsy fantatra mazava ny momba ireo miaramila ireo. Ity Loholona ity izay voalaza fa tafiditra amin’ny raharaha hafahafa, ka maro ny mihevitra fa misy ifandraisany amin’izany. Nanao tatitra ny zavatra hitany fotsiny ny zandary fa tsy nanakana ireo miaramila ireo. Mbola anatin’ny toe-draharaha mafana koa eto amin’ny firenena. Andrasana raha misy tohiny ny momba ity tranga ity
Yv Sam