Niparitaka hatreny ifotony ny fanovàna misy nentin’ity tolona ity. Nandritry ny andro vitsivitsy izay dia maromaro tamin’ireo fokontany na ny teto an-drenivohitra na ny tany amin’ny faritra no notongovan’ny olona, tonga hanala ny Sefo fokontany. Raha ny omaly manokana, dia teny amin’ny fokontany Ambatomaro no nitranga izay zavatra izay. Raha ny filazan’ireo mponina mantsy dia olona napetraky ny depiote iray avy eny amin’ny boriborintany fahadimy iny, izay avy amin’ny mpomba ny fanjakana teo aloha ity sefo fokontany ity. Ankoatry ny nambaran’ireo mponina sasantsany ny amin’ny resaka kolikoly sy fanodikodinam-bola ao amin’ny fokontany, izay efa nolazain’ireo mpiara-miasa aminy fa tsy marina. Niafara tamin’ny famoahana ireo mpiasa tao amin’ny fokontany moa izany ary nanidina tanteraka io birao io. Marihana fa nanaiky ny hanao taratasy fametraham-pialàna ny Sefo fokontany teo aloha ary hanao ny fifamindram-pahefana amin’izay Sefo fokontany vaovao, raha ny vaovao azo farany teny an-toerana.
Fa ankoatra ity teny Ambatomaro ity, dia nitaky an’izay fametraham-pialàn’ny lehiben’ny fokontany izay ihany koa ny teny amin’ny fokontany Ampanotokana, omaly. Olona izay raha ny fantatra dia isan’ireo napetrak’ity solom-bavambahoaka ity hatrany. Ny teny Andraisoro moa dia efa nanantanteraka ny azy ny andron’ny alatsinainy lasa teo, izay niafara tamin’ny fahatongavan’ny fiaran’ny Capsat mihitsy. Ny tany amin’ny faritany, koa dia fantatra fa efa nisy tranga tahak’izay.
m.L