- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversCIRGN : Niverina ho Toby Ankadilalana

CIRGN : Niverina ho Toby Ankadilalana

Nangalàna mpanao asa-tànana mihitsy mba hihoatra ny…manara-penitra. Omaly dia nahatsikaritra ny mpandalo fa tsy banga intsony ny soratra eo amin’ny takela-by manoloana ny tobin’ny zandary etsy Ankadilalana. Lasa “Toby Ankadilalana” mazava tsara no misoratra eo. Ny voalohan’ny herinandro no nesorina ny anarana  teo aloha “Toby Jenearaly Richard Ravalomanana” ary omaly kosa no niverina naka ny anaran’ny tanàna misy azy ny tobin’ny fari-piadidiana ny zandarimaria eto amin’ny faritanin’Antananarivo na Cirgn. Hiova tsy ho ela koa ny tompon’andraikitra sasany eo anivon’ity toby ity saingy miandry ny governemanta vaovao hitsangana mialoha an’izany. Isan’ny tsikaritra tamin’ity toby ity koa dia ny fikatonan’ny kaontiny amin’ny tambajotra sosialy rehefa olona marobe no indray niara-nientana nitory tany amin’ny foiben’ny Facebook. Tao anatin’ireny krizy ireny mantsy dia lasa mifamantsika ny mpandridra ny kaonty sy ny mpanaraka hany ka niteraka fanohintohinana. Maro ny lesona tokony horaisin’izay tompon’andraikitra manaraka mba hiverina hampirindra tsara ny fifandraisan’ny olom-pirenena  sy ny olony…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici