Nitrangana fanolanana indray tetsy amin’ny 67 ha Atsimo. Tovovavy kely vao 13 taona monja, sembana ara-tsaina no naolana lehilahy iray mamolava mananika ny 50 taona, monina ao Antetezana Afovoany, afak’omaly alina. Raha ny fanazavana azo, dia naolan’ity rangahy ity tao anaty trano rava dibodrano ity zazavavy adala ity rehefa avy nomeny vola roa arivo ariary sy avy nividianany « composé ». Omaly maraina nahatsikaritra tsiranoka hafahafa niraraka teo amin’ny feny ny reniny, ka namototra ary teo ity ankizivavy ity no nilaza ny zava-nihatra taminy. Raha ny fanazavana hatrany, dia simba tanteraka ity zazavavy adala ity, taorian’ny fizahana tsy maintsy natao azy. Nandà ny fiampangana azy ilay mpanolana, nefa ny nahagaga ny rehetra ny nanaovany raharaham-pihavanana, omaly antoandro, kanefa tsy nanaiky ny fianakavian-drazazavavy. Raha ny vaovao voaray hatrany, dia efa voasoketa amin’ny fanodinkodinana sy filan-dratsy amin’ny zaza tsy ampy taona ity rangahy ity. Noho io toetrany io, dia voatery nisintaka taminy ny vadiny, noho ny henatr’olona. Tamin’ity indray mitoraka ity, tsy voatamby vola intsony ny asa ratsiny.
Manitrisa