- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodirano Ivato : Fanafihana mitam-piadina, mpianadahy naratra mafy voatifitry ny jiolahy

Ambodirano Ivato : Fanafihana mitam-piadina, mpianadahy naratra mafy voatifitry ny jiolahy

Nirefodrefotra ny basy, nandriaka ny rà ! Nisehoana fanafihana mitam-piadiana indray ny teny amin’ny faritra Ivato iny, omaly hariva tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany tany ho any. Jiolahy telo, niaraka tamin’ny basy no nanao amboletra niditra tao amin’ny fivarotana iray teny  Ambodirano, Ivato. Vokany, olona roa, tao an-tsena, no niantefan’ny balan’ireo olon-dratsy ka naratra mafy sy voatery nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana, raha lasa avokoa ny vola maty rehetra, araka ny fanazavana azo hatrany. Raha ny fampitam-baovao teny anivon’ny hôpitaly, dia vehivavy manodidina ny 20 taona eo ho eo no tena voa mafy tokoa vokatr’izany fanafihana izay. Ny ranjony havia no niantefan’ny bala, izay potika tanteraka mihitsy hatrany amin’ny taolana, raha ny vaovavo voaray hatrany. Mbola teo amin’ny ranjony ihany koa ny an’ilay tovolahy eo amin’ny 17 taona, anadahiny, saingy tsy nahakasika ny taolana. Raha ny fahavoazana teo amin’ireo olona ireo dia mety hoe saika handositra izy mianadahy ireto no norarafan’ireo olon-dratsy tamin’ny basy ka nahavoa azy ireo teo amin’ny tongony izao. Nifamonjena haingana nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana izy ireo, ary efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa. Tsy misy atahorana ny ain’izy ireo raha ny vaovao azo avy any amin’ny hôpitaly hatrany. Efa mandeha ny fikarohana sy fanadihadiana mikasika ireo olon-dratsy ireo, ataon’ny mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser