Raha mbola variana amin’ny raharaham-politika ny rehetra dia misoko mangina kosa ireo andian-jiolahy amin’ny asa ratsiny fanaony. Nitrangan’izany fanafihana tokantrano iray talata 22 oktobra nisy ity raim-pianakaviana 54 taona ity tao Mangarano II P/elle 11/47 carreau 4. Nandritra ilay fanafihana dia avy hatrany dia nampiasa ny fitaovam-piadiana nentiny ireto jiolahy ka nitifitra ity raim-pianakaviana tokony tamin’ny 03ora maraina tany ho any.
Raha ny fanazavana azo dia vola 3 tapitrisa ariary sy finday ary solosaina entin-tanana no lasan’ireo andian-jiolahy. Vao nahazo ireo ireto andian-jiolahy nanafika dia lasa izy ireo niaraka tamin’ny basiny, ilay voafitra kosa nentin’ny fianakaviany teny amin’ny hopitaly mba havotana amin’ny fitsaboina saingy tsy tan any ainy vao tonga tany. Nanazava ny voatafika fa niisa fito ireo andian-jiolahy sady mbola nanao saron-tava ireto andian-jiolahy, niisa efatra miankina kosa ny tao an-trano nahitana ny zanany sy ny zafikeliny voatafika ary tafaporitraka izy ireo nanavotra ny ainy. Tsy nisy naninona izy efa-mianaka nandritra ny fanafihana ary izy ireo no nitondra ilay rangahy voatifitra teny amin’ny hopitaly. Tonga teny ny mpitandro ny filaminana nanadiady ny zava-nitranga ary niezaka nanokatra fanadiadiana mikasika ny zava-nisy. Tsy ekena ny andian-jiolahy mametraka ny didin’ny manaisotra ain’olona tsotra izao ka tsy maintsy anaovana fikarohana mba hizaka ny saziny araka ny lalana misy.
Ankoatra izany dia tokantrano iray hafa tao Tanambao Verrerie P/elle 21/74 carreau 3 no voatafika ny talata 22 oktobra, izay nataon’ireo andian-jiolahy nanao saron-tava miloko mena indray kosatokony tamin’ny 02ora maraina. Tsy nampiasa fitaovam-piadiana kosa ireto andian-jiolahy nandritra izany fa nitondra kibay sy kaboda, saingy maro ny zavatra nalain’izy ireo nandritra tao amin’ity tokantrano ity nandritra izany. Raha ny fanazavana dia “clé Usb” – solosaina entin-tanana – kitapo nisy solosaina entin-tanana hafa ihany koa – fahitalavitra fisaka iray – … ary “portfeuille” nisy karapanondro amin’ny anaran’olona hafa tsy tao an-trano no lasan’ireto andian-jiolahy. Nambaran’ireo mpitandro filaminana nandray an-tanana momba ny raharaha fa tena henjana ity fanafihana andian-jiolahy ity eto Toamasina, nefa tsy maintsy ho hita ireo andian-jiolahy nahavanona ny halatra sy fanafihana.
Miverina mirongatra indray ny asa fanaon’ireo andian-jiolahy eto Toamasina ankehitriny. Lasa miraviravin-tanana mihintsy ny mpitandro filaminana ao anatin’izany, ka tena andihizan’ireo andian-jiolahy mihintsy ny eto Toamasina vokatra izany ankehitriny.
Malala Didier



