Tsy hita izay nanjavonany, nefa dia efa teo am-pelantanan’ny mpitandro ny filaminana. Hatreto dia nalefa nitsoaka izy io ary efa tetika maty paika, saingy tsy am-pisainana no nandefasana azy. Isan’ny voasambotra io teratany sinoa io rehefa nahatratrarana basy sy grenady tao anaty fiara nentiny. Na dia teo aza ny fikasana hanome vola ho an’ireo mpanao fanadihadiana, dia mba tsy nahasakana ny raharaha tsy niakatra teny anivon’ny fampanoavana izany. Saingy tsy ireo olon-drehetra akory no natolotra teny Anosy. Nisy iray tavela dia ilay sinoa izany. Tsotra ny fomba nandefasana azy. Nangataka ny nitady toeram-pidiovana izy ary rehefa tsy nisy tao amin’ilay toerana nitazonana azy dia nentina teny amin’ny hotely iray tsy mifanalavitra loatra an’ilay paositry ny mpitandro ny filaminana. Nony tonga tao dia nolazaina fa tafatsoaka teo amin’ny varavarankely izay nisy ny “douche”. Dia mody nikorapaka be ny iray trano hoe tafatsoaka ilay sinoa, kanefa paika efa nalamina dieny mialoha avokoa izany. Saika voasarona ihany ny zava-nitranga, saingy tsy afaka namitaka intsony ny “caméra de surveillance” tamin’ity indray mitoraka ity. Voarakitra anaty “vidéo” ny zava-niseho izay nampiseho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fandefasana nitsoaka ilay teratany vahiny. Dia tsy hita intsony izay nisy azy nanomboka teo. Ny namany nalefa teny amin’ny fitsarana koa dia nahazo fahafahana vonjimaika avokoa ankoatra ny olona iray tamin’ny efatra. Efa voaporofo nandritra ny fanadihadiana fa, voarohirohy tamin’ny raharaha fakàna an-keriny iray izay nitranga teto an-drenivohitra izy ireo. Dia sady nahazo fahafahana vonjimaika ho an’ilay kisarisarin-pitsarana sy ilay iray nanaovana kisarisarim-pitsoahana. Naheno ny zava-nitranga ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana iray ary andrasana izay mety ho fandraisany fanapahan-kevitra momba ity raharaha heloka bevava izay toa vitavita hoazy teny fotsiny. Fanjakana tsara tantana…
D.R