Ny alahady alina tokony ho tany amin’ny 8 ora sy sasany, taxi iray nitondra mpandeha no norobaina andian-jiolahy, tsy lavitra ny tiribonaly Anosy. Tsy vitan’ny voaroba fotsiny ireo olona ireo, fa mbola niharan’ny vono ihany koa. Ny vola tany amin’ny mpamily sy ny tany amin’ireo mpandeha no nalain’ireo jiolahy. Rehefa izany dia nosimban’ireo mpangalatra koa ny fiara. Raha azon’ireo jiolahy ny zavatra nilainy dia lasa nandeha izy ireo. Afaka nampilaza tao amin’ny polisin’ny BC tsy lavitra teo izay niandry raharaha ireo voaendaka. Tsy niandry ela fa avy dia natao ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Tratra tsy lavitra ny toerana nanaovany ny asa ratsiny ny telo tamin’ireo bandy, niaraka tamin’ny môtô nentin’izy ireo. Tadidin’ireo voatafika tsara ny endrink’izy telo ireo. Ny famotorana natao sy ireo fitaovana nampiasainy dia porofo tsy nahafahan’izy ireo miala amin’ny asa ratsy nataony. Tovolahy 25-30 taona eo ireto voasambotra ary efa mamita sazy teny Antanimora ny iray.
Entanina hatrany ireo olona manam-baovao, mba tsy hisalasala hiantso ny nomerao 017, na 034.05.517.26, na hanatona ny biraon’ny mpitandro ny filaminana, fa hotanana ho tsiambaratelo.
nangonin’i r.s.