- Publicité -
dimanche, décembre 7, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Mpitondra scooter maty voadonan’ny fiara

Ambohimanambola : Mpitondra scooter maty voadonan’ny fiara

Nitranganalozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’iny faritra Ambohimanambola iny omaly maraina. Mpitondra moto iray no namoy ny ainy teo no eo, rehefa nifandona tamin’ny fiara ny kodiaran-droa nentiny. Ankoatra azy dia nisy olona iray no mbola naratra mafy vokatr’izay loza izay. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso, dia somary nandeha mafy ity scooter ity tamin’io fotoana io. Olona roa moa izy ireo no teo ambonin’izay fitaovana izany. Sendra nisy biskleta niray zotra taminy ary handeha hisongona izany izy ireo no nifanehatra tamin’ilay fiara fitanteram-bahoaka izay somary nandeha mafy ihany koa. Somary malalaka izay ihany moa iny mihazo an’Ambohimanambola iny kanefa teritery. Mazava ho azy fa tsy tana ny loza. Potika tanteraka ilay moto nentin’izy ireo. Nandriaka ny rà. Maty teo no eo ilay mpitondra scooter raha mbola nentina notsaboina kosa ilay olona niataka taminy. Efa tonga teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitra nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana.

Fa ankoatr’ity teny Ambohimanambola ity dia nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ihany koa teny Ambohidratrimo teny ny harivan’ny alatsinainy lasa teo tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny teo amin’ny PK19+500. Lehilahy 34 taona mpitondra bisikleta no hita faty teo an-tsisin-dalana. Raha ny fantatra hoy ny mpitandro filaminana dia niharan’ny lozam-pifamoivoizana ity lehilahy saingy hatreto mbola tsy fantatra ny nahavanon-doza na ny zava-nitranga. Efa eo am-panokafana ny fanadihadiana moa ny mpitandro filaminana ary miantso ireo izay mety ho vavolombelona nahita ny zava-nisy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici