
Tato ho ato dia marobe ny fampitandremana tao tanaty tambajotra sosialy mahakasika ny fisian’ny mpanendaka eny amin’ny lalan’Ambohimahitsy iny. Ireo mpitondra kodiaran-droa amin’ny alina no tena ataon’izy ireo lasibatra. Tsy ela fa ny alin’ny alarobia teo dia lehilahy iray nitondra scooter no voa mafy tsy lavitra loatra ny « espace » iray teny an-toerana. Voasakana tamin’ny tady ny môtô nentiny, nianjera ity farany ary naratra. Saika hananaraotra hanao izay danin’ny kibony ireo olon-dratsy no nahay niray hina ireo fokonolona. Voasambotra ny roalahy.
Raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo nanatri-maso dia teo amin’ny manomboka eo amin’ny « pharmacie » sy fiantsonan’ny taxibe antsoina hoe « carriere » ry zalahy no tena manao ny ataony. Manao andiany maromaro, manodidina ny telo na efa-dahy eo izy ireo, ary milanja zava-maranitra sy tady lava, entin’izy ireo manakana ireo môtô mandalo. Manodidina ny amin’ny sivy ora alina eo ho eo no famelezany, fotoana izay efa somary mahavitsy ihany ny mpivezivezy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia sendra ny nahay azy ireo olon-dratsy, ary izao voasambotra izao. Mbola misy naman’izy ireo tafatsoaka, hoy hatrany ny fanazavana azo. Nofatorana avy hatrany moa izy roalahy ireto, niampy daroka « maivamaivana » avy amin’ireo mponina efa leo tsy fandriam-pahalemana talohan’ny nanolorana azy ireo sy niantsoana mpitandro filaminana. Efa notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana ry zalahy mpanendaka ireto ary mandeha kosa ny fikarohana ireo namany hafa.
m.L


