Nitatatata indray ny basy ny alin’ny alakamisy teo, teny amin’iny faritra Paraky sy Ankadimbahoaka iny. Raha ny fanazavan’ny pôlisy dia nisy andian’olona nikonokonona fanafihana teny an-toerana ary notongavan’ny pôlisy avy eo anivon’ny sampana miady amin’ny andian-jiolahy mahery vaika (SCAG). Vokany iray tamin’ireo olon-dratsy no lavo. Olon-dratsy izay voalaza fa isan’ireo raindahy amin’ny resaka fanendahana, halatra miharo herisetra ary fanafihana mitam-piadiana teny an-toerana. Ara-potoana tsara no fahatongavan’ny fampandrenesana sy ny fahatongavan’ireto mpitandro filaminana ireto teny an-toerana, raha ny fanazavana azo. Tamin’io fotoana io mantsy dia efa nihaodihaody teny an-toerana ny andian’olona somary hafahafa fihetsika ka nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny manodidina. Efa teo am-pikasana handroba mihitsy izy ireo no tonga ireo pôlisy. « Niezaka nisambotra izahay saingy nanohitra tamin’ny fitaovam-piadiana teny aminy ny jiolahy iray ka voatery nitifitra ho fiarovan-tena izahay» hoy ny avy eo anivon’ny pôlisy. Maty vokatr’izay tifitra izay ity olon-dratsy ity ary nanao tari-dositra nitsoaka tanaty elakelan-trano kosa ny naman’izy ireo. Tamin’ny fitsirihana ny razana moa dia fantatra fa efa olon-dratsy nikoizana tanteraka sy nampitondra faisana olona maro teny an-toerana ity namoy ny ainy ity. Mbola mandeha kosa ny fikarohana ireo izay mety ho namany sy ireo tafatsoaka tamin’io fotoana io. Etsy andanin’izay, manentana ny mpiray Tanindrazana tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy mialokaloka anaty fiarahamonina, ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena.
m.L


