- Publicité -
lundi, octobre 27, 2025
AccueilFaits-DiversAndasibe : Fiaran-dalamby nivadika, olona iray namoy ny ainy

Andasibe : Fiaran-dalamby nivadika, olona iray namoy ny ainy

« Potika tanteraka ny lohan’ilay vehivavy, tsy nisy namantarana azy intsony ». Ny andron’ny zoma hariva lasa teo, nitrangan’ny loza an-dalamby mahatsiravina teo Andasibe, PK 146. Fiaran-dalamby mpitondra solika no nivadika teo an-toerana. Vehivavy iray no namoy ny ainy, araka ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitry ny zandary tany an-toerana.

Tokony ho tamin’ny efatra ora hariva teo ho eo no nitranga loza raha ny fanazavana azo. Fiaran-dalamby an’i Madarail izy io, ary mitatitra solika ho an’i Logistique Petrolier. Raha ny voalaza dia avy any Toamasina ary handeha hihazo no Moramanga, izao niharan-doza izao. Ny « remorque » fahafito nentin’izany lohamasinina izany no niala ny lalamby ary nivadika. « Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza. Ny kaomisaria manokana amin’ny polisy misahana ny lalam-by moa no tompon’ny famotorana, ary izy ireo, aorian’ny vokatry ny fanadihadiana no mahafantatra izay », raha ny fanazavana azo hatrany.

Tsy vitan’ny fahasimban-javatra ihany anefa ity fivadihan’ny lamasinina ity fa nisy aina nafoy. Vehivavy iray no fantatra fa voatsindry tao ambanin’izay « citerne » nivadika. Mampivarahontsana ny fahitàna ny razana, hoy hatrany ny vaovao, satria potipotika tsy nisy azo namantarana azy intsony ny lohan’io olona io. Tsy fantatra araka izany na iza izy io na iza. Ankoatra izay, teny aminy ihany koa tsy nisy taratasy azo nahalalàna azy. Etsy andanin’izay moa, ny mponina tsy nisy nahafantatra azy rahateo. « Tsara marihana fa amin’ny maha lamasinina mpitatitra solika azy izay dia tsy mitondra mpandeha ity fiaran-dalamby niharan-doza ity. Azo sokajiana ho ireny olona « mpijapy train » ireny araka izany ilay olona namoy ny ainy, izay anisan’ny mampanano sarotra ny famantarana azy. Hatreto ihany koa tsy mbola nisy olona tonga nitaraina fa very havana taty aminay », araka ny fanazavan’ny zandary hatrany. Taorian’ny fitsirahana nataon’ny mpitsabo moa dia efa nentina nihazo ny hôpitaly any an-toerana ny razana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici