Efa tsy afaka afenina intsony ny firaviravian-tanana eo anivon’ny fitandroana ny filaminana eto Toamasina. Hita taratra izany amin’ny firongatry ny tsy filaminana isam-baravarana sy isam-pokontany eto anivon’ny kaominina. Tsy nangina tao anatiny ny nanjo ny namany vokatra izany ireo mpirakidraharaha ny fitsarana, izay niharan’ny fanafihana tao anatin’ny trano fonenany ary tena voa mafy tokoa nandritra izany. Nisy ny fihaonana teo amin’ireto mpirakidraharaha ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fitsarana ambony, ka nanaovan’izy ireo filazana sy fanambarana mihitsy tao anatin’izany. Nambaran’izy ireo nandritra izany, fa “tsy ekena intsony ny tsy fandriampahalemana isam-pokontany, mila mandray andraikitra ireo mpitandro filaminana sy ireo miaraka aminy rehetra amin’ny fandaminana ny Tanana”. Raha hiverenana mantsy ny anton’ity fanambarana sy fihaonana teo amin’ny mpirakidraharaha ny fitsarana ity, dia fanafihana ny lehiben’ny mpirakidraharaha (greffier en chef) ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, izay saika namoizany ny ainy mihitsy tao anatin’izany. Tsy nitsitsy azy mantsy ireo andian-jiolahy efatra nanafika azy ny 23 oktobra teo tao Tanambao V, soa fa tsy nataon’ireto jiolahy ninoninona ny vady aman-janany. Ankilan’izany dia mangataka ny fanjakana misy ankehitriny ireo vahoaka maro eto Toamasina, ny hanesorana ny lehiben’ny filaminana rehetra eto Toamasina sy ny prefen’i Toamasina mpifehy azy ireo ao anatin’izany, mba hisian’ny fandaminan-draharaha vaovao indray ao anatin’ny filaminan’ny Tanana eto Toamasina renivohitra.
Malala Didier


