- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMorafenokely - Maevatanàna : Lehilahy mpampianatra iray no hita faty nisy namono tao...

Morafenokely – Maevatanàna : Lehilahy mpampianatra iray no hita faty nisy namono tao amin’ny trano fonenany

Lehilahy iray sahabo eo amin’ny 31 taona eo no hita faty nisy namono tao amin’ny trano fonenany, tetsy amin’ny fokontany Morafenokely, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany ny marainan’ny Alarobia faha 29 Oktobra taona 2025 lasa teo iny. Vatana mangatsiaka efa niha simba sy namoaka fofona no hitan’ireo mpampianatra sasany mpiara-miasa aminy, eo anivon’ny Lycée Technique et professionnel Maevatanàna sy ny polisim-pirenena, mpitsabo, ary ny filoham-pokontany any an-toerana. Raha hotantarana tokoa ny tena zava-nitranga, araky ny fampitam-baovao voaray tamin’ireo mpiara-miasa aminy ny ankoatran’ny maha mpampianatra azy dia manana vadin’asa mikirakira fandanjana volamena ity farany. Ny vady aman-janany moa nandeha niala sasatra namonjy tanàna, any amin’ny kaominina ambanivohitra Sarobaratra, disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Niantso an-telefaonina tamin’ny mpampianatra iray mpiara-miasa aminy ny Rtoa vadiny mba hijery azy eny amin’ny toeram-pandanjana «  akaikin’ny Salle D’œuvre Catholique «  satria tsy tratra antso mihintsy ny telefaoninan’i Grico vadiny. Saingy tsy tazana teny moa ny voalaza anarana etsy aloha. Nihezaka namonjy nijery ny trano fonenany ihany ny mpampianatra mpiara-miasa aminy, ka nohon’ny tonga teny amin’ny trano misy azy dia efa hitany nisokatra ety ivelan’ny tokon-tany ny vavahady vy misy fefy tamboho. Rehefa tafiditra tao moa ranamana dia nahita ny varavaram-be ny trano, efa nihidy ao anaty.  Mailo no niantso ny mpiara-monina tamin’ny ratompokolahy sy ny filoham-pokontany, ilay mpiara-miasa iray nidina ifotony nijery azy teny amin’ny trano fonenany. Ny filoham-pokontany indray avy eo niantso an-taribia ny tompon’andraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena eto Maevatanàna mba hanao ny fizahana. Hita tokoa nandritra ny fizahana natao fa efa nisokatra ny varavaran-kely, aty ampita/antsinanana no tazana nikainkona irery teo ambony fandriana, ilay mpampianatra mpampiofana BTP eny amin’ny LTP Maevatanàna. Teo ihany no natsoina nalaky ny mpitsabo mba hanao ny fitsirihana ny razana. Saingy nahitana fira zava-maranitra ny lohany no mbola nisy tsindrona zava-maranitra ihany koa ny fony.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici