Fitokonana etsy fitokonana eroa, saika manao fitokonana mitaky sy mangataka fanovana avokoa ny ankamaroan’ny mpiasa na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana eto Antsirabe.
Naneho ny tsy fankasitrahany mahakasika ny fitantanana ny tobim-piantsonana Vatofotsy ihany koa ireo mpisehatra eo amin’ity fiatsonana ity ahitana mpamily, koperativa, guichetiers, mpivarotra maro samihafa. Nakaton’izy ireo ny birao mpitantana eo amin’ny tobim-piantsonana ny Sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany maraina. Tsy nanao ny asany ny birao nanomboka teo fa nirindrina tanteraka ny birao fiasana. Nisy ny fandaminana sy paikady napetrak’ireo mpitolona mba nafahan’ny fiaram-pitanterana nanohy ny asany hatrany dia ny fanaovana “billet de sortie” vonjy maika izay mbola mihatra hatramin’izao. Efa nametraka taratasy teny anivon’ny mpitandro filaminana raheto ny mpitolona raha ny fanazavan’izy ireo.
Takian’ireto mpitolona ireto ny fanesorana ny komity mpitantana ny tobim-piantsonana Vatofotsy satria tsy mangaraharaha ny fitantanana hoy izy ireo, tsy misy ny tamberin’andraikitra fa miaina anaty loto sy tsy fandriam-pahalemana ny mpisehetra eo amin’ity toerana ity, ohatra akaiky ny tsy fisian’ny fahazavana, na jiro eo amin’ny “stationnement” ka mampirongatra ny mpangalatra rehefa alina.
Ankoatra izay, mahazo vahana tanteraka ireo fiara mameno ivelan’ny fiantsonana, miara amin’ireo mpanera tsy ara-dalana ka mazàna miandry ora iray hatramin’ny ora telo ny fiara manara-dalana eo amin’ny toby fiantsonana va mahafeno fiara iray. Sombiny amin’ny tsy fahalavorarian’ny fitantanana ireo tanisana ireo raha ny filazan’ny ireo mpitolona. Nanamafy ireo mpivarotra ao anatin’ny tobim-piantsonana fa takiana vola hatrany ireo nefa tsy misy fangaraharana izany ka mahatonga ny sasany mandà tsy manome.
Nisy ny fihaonanana tamin’ny ATT sy ny sampandraharana misahana ny fitanterana ary famantararana ny toetr’andro ny Alatsinainy teo saingy tsy mbola nahitana mangirana ny toe-draharaha omaly hariva nialan’ny mpanao gezety teny an-toerana.
Andry N.



