Iray tamin’ireo dimy ihany no nidoboka am-ponja. Ny telo ambiny nahazo fahafahana vonjimaika ary ny fahadimy kosa nalefa nitsoaka. Ankehitriny anefa dia nisy ny fangatahana fahafahana manohy fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana. Izany dia miompanana amin’ny heloka nety ho vitan’ireo sinoa ireo, ary koa ny fomba nahafahan’ilay iray nitsoaka, ary heverina hatreto fa tena atidoha nikotrika izany. Raha tsiahivina dia ny 12 desambra teo ireto sinoa ireto no sarona tao anaty fiara tsy mataho-dàlana, niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana marobe. Nisy basy kalachnikov sy PA niaraka tamin’ny bala marobe, ary koa grenady, tao anatin’ilay fiara nentin’izy ireo. Nisy fifandraisany tamin’ny kidnapping nitranga teny Ivandry ireo olona ireo, raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Saingy afa-maina rehefa natolotra ny Fampanoavana, ary ny iray koa aza dia mbola tafatsoaka. Marobe ny fanontaniana mipetraka momba ity raharaha ity ary heverina fa mba hitondra fanazavana misimisy ity fanitarana fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana ity, mba hialàna amin’ny fisian’ny tsimatimanota eto Tana.
D.R