
Nampalahelo ireo mpandeha sy ny mponina teny amin’ny faritra Soavimasoandro ny zava-nitranga androany maraina. Lehilahy iray no maty tampoka tao anatin’ny taxibe, zotra 150. Niainga teo Anosibe izy io ary teny amin’ny fiafaràn’ny zotra teny Soavimasoandro no hita fa tsy nihetsika intsony ary efa nangatsiaka ny vatany. Araka ny fitantaran’ireo niara-nandeha taminy, dia tsy nisy zavatra hafahafa hita sorita momba ity lehilahy ity nandritra ny dia. Rehefa tonga teo amin’ny terminus anefa ny fiara, dia tsy nifoha intsony izy, ka nampiantsoana ny mpitandro ny filaminana sy ny mpamonjy voina. Noheverina ho resin-tory saingy tsy izany velively no nitranga. Nanao fanamarinana avy hatrany ny zandary sy ny mpiasan’ny fahasalamana, ary fantatra fa tsy nisy ratra hita tamin’ny vatany, ka ahiana ho fahafatesana vokatry ny aretina tampoka na havizanana tafahoatra na koa fahatapahan’ny lalan-drà izay nitarika fijanonan’ny fo. Mbola mitohy ny famotorana ataon’ny manampahefana momba ity fahafatesana ity. Ny tranga toy izao dia manaitra indray ny sain’ny maro momba ny fitsaboana ara-potoana sy ny fepetra ara-pahasalamana eto amintsika. Ny tena olana koa dia tsy nisy nahatsikaritra mihitsy ilay olona noho izy noheverina ho natory.
D.R



