- Publicité -
mercredi, novembre 5, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsapànana - Mahatsinjo ambony : Dahalo iray maty votifitra, dahalo iray naratra

Antsapànana – Mahatsinjo ambony : Dahalo iray maty votifitra, dahalo iray naratra

Maty voatifitra nandritra ny fifandonana ny dahalo iray, ary nisy Zandary naratra voan’ny balan’ireo malaso. Manomboka mitady hanao sesilany indray ny trangana tsy fandriam-pahalemana ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna an-kehitriny. Raha hotantarana tokoa ny tena zava-nitranga tany amin’ny tanànan’Antsàpanana, fokontany Borikely, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahatsinjo ambony dia nahitana dahalo niisa roapolo nitam-piadiana ny marainan’ny Atalata faha 28 Oktobra taona 2025 lasa teo iny. Nirefodrefotra ny feom-basy teo amin’ny tanàna voalaza etsy aloha nandritra ny fanafihana nataon’ireo malaso, ka tsy afaka nihetsika ny fokon’olona no nanamafy ny hidi-trano. Tsy niandry ela ny jiolahy fa nitsoaka nitondra olona niisa dimy ho natao takalon’aina, ary mbola nangalatra ny omby tao am-bala ihany koa, izy ireo. Rehefa hita fa lasa lavitra ny dahalo vao samy nivoaka ny trano fonenany ny olona tsirairay avy no niantso an-telefaonina nalaky an’ireo mpitandro ny filaminana, izay miasa any amin’ny Zana-tombim-paritra Mahatsinjo ambony sy tobim-paritra Andriba mba hanao ny fanarahan-dia. Vatana vao nahare ny antso an-taribia tamin’ireo fokon’olona ny Zandary dia nanao ny fanarahan-dia tsy nisy hatak’andro avy hatrany no nampandre, ireo namany miasa any amin’ny  » Poste Fixe  » manodidina ny tanàna nisehoan’ny loza. Nifanehitra tany amin’ny toerana atao hoe: Mangididokotra ny Zandary mpanara-dia sy ny malaso no raikitra ny fifampitifirana. Vokany: Maty voatifitra ny iray tamin’ireo dahalo, ary Zandary iray ihany koa naratra voan’ny balan’ireto farany. Nitari-dositra namela an’ireo olona natao takalon’aina niisa dimy sy ny omby nangalariny, ireo dahalo ambiny tsy maty voatifitra, izay tafaporitsaka. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa efa tafaverina soa aman-tsara eny amin’ny fianakaviany ny takalon’aina no nomena ny tompony avokoa ireo omby. Tsy misy ahiana hatrany ny ratra nahazo an’ilay Zandary voan’ny balan’ireo malaso, satria efa nahazo fitsaboana sahaza eny amin’ny tombim-pahasalamana ity farany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici