Fiara tsy mataho-dàlana telo. Fantatra ny laharan’ny roa ary tsy nafenina aza, raha tsy nisy kosa ny fahatelo farany. Olona am-polony izay misaron-tava ary mitondra kalachnikov AK47 iray avy. Ireo no nandroba ny senatera Rabetsaroana Sylvain tao amin’ny trano fonenany tao Maibahoaka-Talatamaty. Nofatorana ilay loholona ary notapenana ny vavany. Afaka nanao izay danin’ny kibony ny mpandroba ary naka izay tiany. Isan’izany ny fitaovam-piadiana miisa telo, ny finday rehetra (efatra), ny vola mitentina 40 tapitrisa ariary sy vola vahiny 8.000 euros ary vato sarobidy isan-karazany. Nanam-potoana tanteraka ny jiolahy nanatontosa ny asany ary nijanona efa ho adiny iray sy sasany tao amin’ilay trano izy ireo ny alin’ny alahady teo. Efa lasa ireo vao afaka niantso ny zandary ny voaroba. Iza no jiolahy manana AK47 marobe ao anatin’ny fanafihana iray? An’iza ny fiara tsy mataho-dàlana izay hita ny laharany? Tokony ho mora kely ny fanadihadiana…
D.R



