- Publicité -
vendredi, novembre 7, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBorikely-Kandreho : Nitsoaka nandritra ny fifampitifirana tamin'ireo zandary ny jiolahy enin-dahy

Borikely-Kandreho : Nitsoaka nandritra ny fifampitifirana tamin’ireo zandary ny jiolahy enin-dahy

Ny marainan’ny Alatsinainy faha 27 Oktobra taona 2025 teo iny no niditra am-boletra, tao amin’ny tanàna atao hoe: Ambaniandrefana, fokontany Mahatsinjo atsimo, any amin’ny disitrikan’i Kandreho, ato anatin’ny faritra Betsiboka ireo dahalo enin-dahy nitondra basim-borina telo sy zava-maranitra. Rehefa tafiditra tao amin’ity tanàna voalaza etsy aloha ity ny malaso, tonga dia nifaoka ny omby tao am-bala, ary avy eo nitari-dositra nitondra ny omby halatra nalaky. Taorian’izay dia niara nifamory ireo vatan-dehilahy no niantso an-telefaonina an’ireo Zandary nalaky mba hanao ny fanarahan-dia. Vetivety teo anefa dia nifanehitra tany amin’ny toerana iray antsoina hoe: Borikely, any amin’ny fokontan’Ambohitrakely ny telo tonta: Zandary, vatan-dehilahy, ary ireo Jiolahy no raikitra ny fifampitifirana. Vokany: Tsy naharesy tosika ny malaso no nitsoaka avy hatrany, sady namelan’ny omby folo nangalariny teo. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa tsy nisy naratra sy aina nafoy, tamin’ireo mpanara-dia nandritra ny fifanjevona no efa tafaverina soa aman-tsara any amin’ny tompony avokoa ireo omby ireo. Saingy mbola mitohy ny fanarahan-dia hataon’ny mpitandro ny filaminana hatreto hoan’ireo olon-dratsy tsy mataho-tody.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici