- Publicité -
vendredi, novembre 7, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManakara : Voasambotra ry « FID » sandoka mpanome « Tosika Fameno »

Manakara : Voasambotra ry « FID » sandoka mpanome « Tosika Fameno »

Angamba efa tsy vitsy tamintsika ho efa nahazo ilay someso, indraindray feno tsipelina diso, izay milaza fa « avy amin’ny FID, ka hanome Tosika Fameno, 20 tapitrisa ariary » … Avy any Manakara ny tompon’antoka sy ny mpanoratra azy io ary efa voasambotry ny pôlisy soa aman-tsara !

Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsapa fa tena niasa mafy ary nihazakazaka tokoa ny famotorana nataon’ireo avy eo anivon’ny sampan-draharahan’ny pôlisy miady amin’ny heloka an’habaka na ny cybercriminalité. Ka nahafahan’izy ireo nisambotra ireo tompon’antoka tamin’ity fomba fisolokiana amin’ny alalan’ny someso ity. Olona roa no voalazan’ny fampitam-baovao fa voasambotra : lehilahy sy vehivavy, izay samy avy any amin’iny faritra Fitovinany iny avokoa. Raha ny voalaza dia ny voalohan’ny herinandro teo no nisy nametraka fitoriana teny anivon’ireo mpitandro filaminana rehefa naharay io hafatra fohy feno fitaka io. Natao avy hatrany ny fanadihadiana lalina ka izao nahitam-bokany izao.

Marihina fa efa diso fantatry ny rehetra, eny fa na hatramin’ireo mpanao fanadihadiana aza ireny someso fisolokiana ireny, izay mazàna, miovaova ny votoatiny saingy mitovy hatrany ny paik’ady fisolokiana entiny. Ary tsy nipoitra vao haingana akory fa efa nisy fotoana elaela ihany izay, mba tsy hitenenana hoe aman-taonany maro. « Misy amin’ireo olon-tsotra mahafantatra fa fisolokiana ity fomba fiady ity ka nanaitra ireo tompon’antoka amin’izany amin’ny alalan’ny antso dia mahazo ompa sy teny manafintohina. Misy kosa ireo voafitaka ka miantso ary asainy mandefa vola izay lazaina fa saran’ny famoahana ilay fanomezana. Maro ny fitarainana voaray amin’ity fomba fisolokiana ity » hoy ny fampitam-baovao.

Mahavelombolo tokoa raha toa izao ny fiovàn’ireo tompon’andraikitra mpanao famotorana. Irarian’ny rehetra mba tsy ho variana intsony hanenjika ireo mpaneho hevitra anaty « FB » izy ireo fa mba tena hiverina hanao ny asany antsakany sy andavany : ny fanenjehana ireo jiolahy an’habaka tsy an-kanavaka. Ary mba hisy « trondro vaventy » amin’izay ao anatin’ny haratony ! Fa raha izao aloha no mitohy, heverina fa hanaraka tsy ho ela ry « mpizara 4X4, frigo sy salon » miaraka amin-dry « dadabe mpibizina mercure » …

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici