- Publicité -
samedi, novembre 8, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha tsy filaminana eto Toamasina : Misy tsaho naely mikasika ilay mpirakidraharaha nisy...

Raharaha tsy filaminana eto Toamasina : Misy tsaho naely mikasika ilay mpirakidraharaha nisy nidaroka

Raha mbola ao anatin’ny alahelo sy ao anaty fahatezerana ireo mpirakidraharaha ny fitsarana eto Toamasina mikasika ilay raharaha fidarohana azy, noho ny fanafihana ny tranony sy ny vady aman-janany tao Tanambao V parcelle 13/72. Tena efa kely ny ainy vao nijanona tamin’ny daroka nataony ireo andian-jiolahy, fa tsy voakasik’ireo andian-jiolahy kosa ny vady aman-janany nandritra izany. Nisaron-tava ireto andian-jiolahy nandritra ilay fanafihana sy fidarohana izay narahana halatra finday sy ny vola tao aminy. Raha narahana ilay finday an’ilay mpirakidraharaha dia nahasambotra olona dimy ireo mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana. Niakatra fitsarana sy fampanoavana ireto olona ireto ary efa miandry ny fitsarana azy am-ponja izy dimy lahy ireto. Gaga anefa ny mpiara-monina tamin’ity mpirakidraharahan’ny fitsarana naratra voadaroka ity, fa misy ireo olona sahy mamoaka lainga ao anatin’ny tambanjotran-tserasera « facebook ».

Nambaran’ireto andian’olona ireto tao anatin’izany fa resaka halatra vadin’olona no namparatra azy, noho izy voadaroka ilay tompom-bady nandritra izany, ary nisy nanatitra teo am-bavahadiny taoriana izany, hoy ilay tsaho niniana naely.  Tsy marina velively izany hoy ireto mpiara-monina aminy, fa tao an-tranony izy voadaroky ny andian-jiolahy tamin’ny andro alina efa matory. Olona mamy hoditra amin’ny fiaraha-monina misy azy izy noho ny izy mpanampy olona amin’ny asa ataony. Ny fokonolona no nanavotra azy efa-mianaka tao an-trano nandritra ilay fanafihana azy ireo, sy niezaka nitondra ilay mpirakidraharaha ny fitsarana noho ny faharatrana mafy loatra nahazo azy indrindra tamin’ny faritry ny lohany. Mbola mitsabo tena ilay mpirakidraharaha hatramin’izao.

Manao antso avo vokatra izany ireto fokonolona ireto ny ampitsaharana ilay tsaho hiniana naely tamin’ny tambanjotran-tserasera. Misy ny fepetra ho raisina raha mbola mitohy hatrany ny fanelezana ity tsaho manimba fiainan’olona ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici