Ny marainan’ny Alarobia faha 05 Novambra taona 2025 teo iny no nidina an-dalambe nitondra sora-baventy mitaky ny fanalana an’Atoa ben’ny tanàna am-perinasa sy ny lehiben’ny boriboritany ao amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Manerinerina, any amin’ny disitrikan’Ambatoboeny, faritra Boeny ireo mponina. Leo fanararaotam-pahefana, tsindry hazo lena, tsisy tamberin’andraikitra sy fibodoana tanin’olona mirefy 3000 Ha ataon’Atoa ben’ny tanàna no miampy fangalana vola mihoapampana nalain’ny lehiben’ny boriboritany ny mpanao fihetsiketsena. Noho izany dia mitaky ny fanalana azy ireo tsy misy hatak’andro ny mpitolona. Taorian’izay dia nampanantsoin’ireo mambra ny OMC Ambatoboeny, notarihin’ny lehiben’ny Disitrika any an-toerana ireo mpanao fitakiana mba hisian’ny fifampiresahina, saingy ny andian-tanora ihany no namaly ny antso teto. Tapaka nandritra ny laha-dinika fa hatao tsy ho ela ny fihaonana mivantana amin’Atoa bén’ny tanàna, amin’izao fitarainana mahakasika ny fitakiana fanalana azy sy ny lehiben’ny boriboritany izao. Teo ihany no namaly an-kafatra ny andian-tanora tamin’ny teny nanao hoe: Asaivo mametram-pialana ny ben’ny tanàna Davy André raha toa ka hafindra toeram-piasana miala eto Manerinerina Rtoa lehiben’ny boriboritany. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra hatrany dia tsara ny mampahafantatra, araky ny feo nivoaka nandritra ny fitakiana fa ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Manerinerina no anisan’ny kaominina any amin’ny disitrikan’Ambatoboeny, izay mampiditra vola be indrindra amin’ny resaka famoham-bokatra voamaina, amin’ny alalan’ny tamberim-bidy. Satria mamoaka vokatra aman-taonina maro, isaky ny tsena Asabotsy ity kaominina ity, nefa tsy hita nak’aiza ny tamberina azo amin’izany.
Ratantely


