Mitombo isa hatrany ireo fahavoazana tany amin’ireo faritra sasantsany nahazoam-baovao tamin’iny oram-baratra niseho ny sabotsy lasa teo iny, teto ampoavoan-tany. Araka ny vaovao azo, tany amin’iny distrikan’Arivonimamo iny dia fantatra fa trano efatra no niharam-pahavoazana, nilatsahan’ny varatra ary may tamin’io andro io. Olona maromaro ihany koa no voalaza naratra vokatr’izay.
Tao amin’ny fokontany Ambaralamba Avaratra kaominina Arivonimamo 2 no nilatsaka ny varatra rehefa avy nirefodrefotra ny harivan’ny sabotsy te. Araka ny nambarana’ireo namana avy an-toerana dia trano miisa efatra be izao no indray notetezin’izany vara-datsaka izany. Potika tanteraka ary may kila tsy nisy azo noraisina ankoatry ny rindrina efatra. Ankoatr’ireo varatra nilatsaka ny harivan’ny sabotsy io dia voalaza fa nanapotika zavatra maro ihany koa rivotra nifofofofo nentin’izany ora-mikija izany. Anisan’izany ny trano vitsivitsy teo an-tanana izay nipaohon’ny rivotra ny tafony. Raha ny voalaza dia fianakaviana maromaro, izay misy olona 18 no tsy manan-kialofana amin’izao. Nisy ihany koa ny naratra vokatr’izay voina nihatra tamin’izy ireo izay izay efa noraisin’ny tompon’andraikitra an-tanana. Torak’izay koa ireo tra-boina.
Marihana, araka ny fanambarana nataon’ireo tompon’andraikitra dia orana artifisialy iny narotsaka teto ampoavoan-tany ny nandritry ny andro vitsvitsy izay. Ary mety mbola hitohy ato ho ato.
m.L




