Manova fomba fiasa ireo polisim-pirenena eto Toamasina amin’izao fanovana misy eto amin’ny firenena izao. Manantona eny ifotony isaky ny vakim-paritra eny amin’ny fokonany izy ireo, manentana ireo vahoaka amin’ny fametrahana ny filaminana. Nanombohana izany fidinana ifotony izany ny tao Tanambao Verrerie, ka vary maro ireo vahoaka niatrika ireto polisy nandritra izany. Mandritra izao fitsidihana atao izao no hisian’ny fanentanana samy hafa fanaon’ny polisy mikasika ny herisetra atao amin’ny maha-vavy na maha-lahy ary ny resaka fandriampahelemana. Ao anatin’izany dia mizara ny laharana ahazoana azy ireo ny polisy mba ho fanamorana ny fahazoana azy ireo, satria heno mazana fa tsy azo antso na tsy mandray antso ny polisim-pirenena rehefa antsoina. Mizara afisy momba ny asany ihany ko aizy ireo mandritra ity fidinana eny ifotony ity, ka afisy nahatratra 1.000 teo ho eo, sy olona teny ifotony niisa 900 teo koa no nitafana nandritra izany tamin’ny tokantrano niisa 150n teo noho eo. Mba hanamora ny fifanampiana sy ny fafampianatsoana eo amin’ny samy vakim-paritra isam-pokontany sy ireo fokontany mifanila vody rindrina, amin’ny fampahafantarana ny manjo ny fokontany amin’ny tsy filaminana dia nozaraina kiririoka miisa 100 koa ieto vahoaka. Manana politika hanantona ny vahoaka ankehitriny ny talem-paritry ny polisim-pirenena, satria izay ihany no ahafahana mifehy ny tsy filamiam-bahoaka eto Toamasina indrindra ireo « grand banditisme » na asan-jiolahy goavana, izay ankatroky ny fety isika izao izay tena mampitongatra azy. Mbola hitohy amin’ny vakim-paritra amin’ny fokontany hafa ny fidinana ifotony hoy ireo polisim-pirenena eto Toamasina.
Malala Didier




