- Publicité -
jeudi, novembre 13, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna an-tampon-tanàna : Naiditra am-ponja vonjimaika ireo mpivarotra lasantsa sandoka

Maevatanàna an-tampon-tanàna : Naiditra am-ponja vonjimaika ireo mpivarotra lasantsa sandoka

Taorian’ny fakana am-bava nataon’ny tonia mpampanoa lalàna azy telo ny andron’ny Talata faha 11 Novambra taona 2025 teo iny dia naiditra am-ponja vonjimaika, eny amin’ny fonjan’Ambodimadiro hatrany, ireto farany nohon’ny fivarotana lasantsa sandoka 18 Litatra amin’ny bidon miloko mavo. Raha hotantarana tokoa ny tena zava-nitranga, araky ny fampitam-baovao voaray nandritra ny fiantombohan’ny korontana tao Antananarivo ny andron’ny faha 25 Septambra taona 2025 lasa teo iny dia nisedra tsy fahampiana solika matetika ny mponina teto Maevatanàna an-tampon-tanàna. Ka nisy nanararaotra nanita-kevitra nivarotra  » lasantsa sandoka amin’ny bidon miloko mavo roapolo litatra,  » izay ahitana rano avokoa ny 18 Litatra raha ny roa litatra tamin’izany no azo antoka, fa tena solika. Rehefa nahazo fitarainana mahakasika izany ny mpitandro ny filaminana dia nametraka pai-kady hatrany ny kaomadin’ny tobim-paritry ny Zandarimaria eto Maevatanàna, izay tarihin’i CB Solofomanana Alphene dit Lebaba, ka tratra tao amin’ny fokontan’Andranobevava, kaominina ambanivohitra Beanana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny tena tompon’antoka tamin’ny fanaparitahana sy famarotana solika sandoka. Ity farany indray avy eo no nanondro ny namany iray sy ny Rtoa vadiny ho mpiray tsikombakomba aminy, amin’izao famitahana vahoaka izao. Natolotra ny fampanoavana moa izy ireo, ary voatazona vonjimaika any am-ponja. Marihina fa asin’ireto farany lokon-drary izay manova endrika tanteraka ho toy ny lasantsa tena izy ny solika. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa manimba fitaovana lafo vidy ny solika sandoka tahak’izao. Ny Zandary dia tsy mitsahatra ny manao fanentanana hatrany mba hampilaza ara-potoana azy ireo, raha misy tranga mampiahiahy hita any ambany ravin’ahitra any no azo atao tsara ihany koa ny miantso mivantana an-telefaonina ny laharana: 034 05 701 48.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici