Nidina nitety isam-pokontany nitondra vata fanamafisam-peo ireo andian’olona mitaky ny fanalana an’Atoa ben’ny tanàna am-perinasa, any amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Andriba, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, faritra Betsiboka. Nisy hatrany ny ampamoaka amin’ny tsy fahaizana nitantana ny kaominina voalaza etsy aloha nataon’Atoa ben’ny tanàna, hatrizay nahalany azy. Ny fokontany Mangarivotra sy Maroharona no nanombohana ny fidinana ifotony tamin’ny alalan’ny hetsi-bahoaka mitaky ny fametraham-pialana an’Atoa ben’ny tanàna any an-toerana, raha ny amben-tindresaka heno tamin’ny fandraisam-pitenena, nataon’ireto farany ny harivan’ny zoma faha 07 novambra taona 2025 lasa teo iny. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa lany tamin’ny anaran’ny vovonana Irmar indroa nisesy nandritra ny fifidianana kaominaly farany teo ny ben’ny tanàna anaovana fitakiana.
Ratantely





