Ny zoma faha 07 novambra taona 2025 lasa teo iny, tokony tamin’ny fito ora sy sasany hariva no nisy rambon-danitra mahery vaika niampy rotsak’orana tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambakireny, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Tamin’izay indrindra no nahalasa ny tafom-pianaran’ny CEG Ambakireny niisa folo niaraka tamin’ny biraom-piasana. Efitranom-pianarana roa sisa no azo ampiasaina hatreto, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa nidina ifotony nijery ny fahavoazana ny androtr’io ihany ireo tompon’andraikitra any amin’ny kaominina voalaza etsy aloha, ka andrasana ny fanarenana mba hiverenan’ny fampianarana any an-toerana. Tsy dia naharitra ny fisehoahan’ny rambon-danitra narahina oram-be teto.
Ratantely





