- Publicité -
samedi, novembre 15, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFivarotana sary mamoafady an-jaza : Mpivaro-tena amin’ny tambazotra sosialy iray voasambotra

Fivarotana sary mamoafady an-jaza : Mpivaro-tena amin’ny tambazotra sosialy iray voasambotra

Vehivavy iray no fantatra fa nosamborin’ny polisy misahana nt heloka an’habaka noho ny fivarotana sary mamoafady ana zaza tsy ampy taona tao anaty aterineto. Mazava ho azy, tranga izay henjehin’ny lalàna velona eto amintsika araka ny voarakitra ao anatin’ny lalàna laharana 2014–006 mifehy ny heloka anabaka, nivoaka ny 19 jona 2014.

Raha ny fanazavana azo dia fiaraha-miasa avy amin’ny Interpol any Angletera no nahafantarana ny zava-nisy. Niparitaka loatra tao anatin’ny Dark Web ( aterineto miafina) mantsy izany sary izany, antony nandraisana fepetra sy nanokafana ny fanadihadiana avy hatrany. Manodidina ny 11 ka hatramin’ny 15 taona ireo zaza ireo, raha ny fanazavana azo hatrany ary hamidin’ity tovovavy ity hatramin’ny 150.000 ariary ny sary mamoafadin’izy ireo. Noho ny fahaiza-manaon’ireo mpanao famotorana dia tsy ela dia voasambotra ny tompon’antoka. Vehivavy iray 26 taona, izay isan’ireo mpampanofa tena ao anaty tambazotra sosialy ihany. Niaiky ny zavatra nataony moa izany vehivavy izany, izay marihana fa efa ho roa volana teo izay no nanaovany azy io. Efa natolotra ny Fampanoavana ny alarobia teo moa ny raharaha ary nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny vehivavy. Tsara marihana hoy hatrany ny polisy fa “raha ny lalàna hatrany dia heverina fa tsy tompon’andraikitra feno amin’ny fihetsika ataony ny zaza latsaky ny 18 taona, ka noho izany dia tsy manan-kery eo anatrehan’ny lalàna ny filazàna fa nanaiky na tsy noterena ny zaza tsy ampy taona amin’ny famoronana horonan-tsary mamoafady”.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici