Asa fanakorontanana indray ve sa fomba fanendahana vaovao indray? Saika izay avokoa no teo am-bavan’ny olona nahafantatra sy nahita ity tranga iray tetsy Antanimena ambany, ny alarobia hariva lasa teo. Andiana tovolahy vitsivitsy, manodidina ny 17 taona eo ho eo, no nanipy harona « sachet » nisy asidra tao anatina taxibe iray, mihazo an’Ambohimarina iny. Olona roa, izay mpandeha tao anatin’ity taxibe ity no naratra mafy, main’ilay asidra niparitaka. Raha ny fitantaran’ny iray tamin’ireo mpandeha tao anatin’ity taxibe ity, dia nitohana be toy ny mahazatra ihany, ny teny amin’iny faritra Antanimena mihazo an’Ankazomanga sy ny lalam-pirenena faha-4 iny, hariva tokony ho tamin’ny 5ora mahery tany ho any. Nikija dia nikija ihany koa ny orana tamin’izay fotoana izay, ka tena nijanona fotoana elaela mihitsy ny fifamoivoizana. « Tamin’izay fotoana izay no nisy bandy kely nandalo teo. Nitondra ranon-javatra tanatin’ireo « sachet plastique » manify ireny izy. Tampoka teo, natorany tany amin’ilay taxibe, nifandrify taminy teo ilay « sachet » nisy ranon-javatra, izay avy hatrany dia vaky sy niparitaka tany amin’ireo mpandeha. Tsy nisy nanampo hoe asidra no tao anatin’ilay harona, raha tsy efa nihoraka sy nihiakiaka ireo olona voan’ilay ranon-javatra. Vehivavy roa nipetraka nifanandrify teo amin’ilay nanipazan’ilay tovolahy azy no naratra mafy vokatr’izany. Renim-pianakaviana efa nahazo taona ihany no tena voa mafy, satria dia saika ny ilan’ny vatany iray manontolo no main’ilay asidra», raha ny nambaran’ity olona nanatri-maso ny zava-nisy ity. Nifanenjehana avy hatrany ireo bandy kely ireo taorian’io fihetsika nataony, saingy tsy tratra intsony. Nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana kosa ireo naratra. Raha ny filazan’ireo, dia matetika tato ho ato izay no lasa hanjakan’ireo mpanendaka ilay toerana. Noho ny fisian’ilay làlana ratsy eny an-toerana dia voatery mandeha mora ireo fiara. Ao anatin’ny fitohanana araka izany ireo olon-dratsy no manatanteraka ny asa ratsiny. Ny sabotsy lasa teo, fiara telo no nasesin’ireo tontakely norobaina. Lasibatra tamin’izany ny finday sy paoketran’ireo mpandeha.
m.L