Mbola maro ny asa miandry amin’ny tetikasa fiarovana ny farihin’Andraikiba, isan’ny nivoitra izany nandritra ny atrikasa niarahana tamin’ireo mpisehatra rehetra.
Atrikasa nentina namelabelarana ny asa rehetra vita sy mbola miandry, marihina fa ny UNESCO no miara miasa amin’ny ministera amin’ity tetikasa ity izay vatsian’ny governemanta Koreana vola.
Mitombo ny tsindry avy amin’ny fampiasana ny rano miaraka amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro izay lasa mitarika ny fahenan’ny sata amin’ny “hydrologique” sy ny “hydro chimique”. Nasiam-pandinihina ihany koa ny tokony hametrahana fifanekena handraisan’ny mpisehetra rehetra anjara ho entina mitantana ny “station météorologique”izay hapetraka ao Andraikiba. Mba afahana mametraka rafitra fitantanana azo antoka sy mahomby dia tokony hamafisina ny fanaraha maso.
Andry N





