Araka ny vaovao efa notaterina tamin’ny haino aman-jery, niteraka korontana sy savorovoro ny fifidianana Ben’ny tanana Andohanilakaka ny 11 desambra 2025. Nisy mantsy tamin’izany fotoana izany ny filazana ny fisian’ny hala-bato sy fanodikondinana ny safidim-bahoaka. Raha tsiahivina dia nisy korontana sy savorovoro be tao amin’ny kaominina Andohanilakaka ny andron’ny fandatsahambato, tamin’ny birao fandatsahambato 17 tao amin’ireo fokontany dimy tamin’ireo fokon folo no nahitana fanakalozana lisim-pifidianana roa samy hafa, izay voalaza fa tsy mitovy kanefa samy nofaranana ny 15 mai 2024, samy misy fitomboky ny CENI ka nampiteraka ny korontana sy savorovoro, araka ny fanazavana azo.
Araka ny fitarainana nataon’ny mpifidy maro sy ny tatitra an-tsoratra nataon’ny sefompokontany dimy izay noraisin”ny lehiben’ny boriborin-tany, ka niampy ny tatitra an-tsoratra nalefa tany amin’ny prefektiora dia nampiasaina ny lisitra vaovao, izay nahagaga ny rehetra fa olona maro efa nifidy nandritra ny fifidianana solombavam-bahoaka no tsy ao anaty lisitra vaovao ka tsy afaka nifidy intsony. Velon-taraina noho io lisitra roa tsy nitovy samy misy fitomboky CENI io ny kandida Ratsimanotry Razafiarison antsoina hoe Zidane, satria araka nambarany dia maro tamin’ireo mpifidy tokony hifidy azy izay efa nifidy nandritra ny fifidianana solombavam-bahoaka no tsy afaka nandatsa bato satria tsy tao anaty lisitra vaovao nampiasaina.
Nametraka fitoriana ny tenany ka nitondra ny proforo rehetra mifanaraka amin’izany, tany amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana, tany Fianarantsoa. Voalaza tamin’izany fa efa ny 1 desambra no nandeha ny fikononkonana hosoka tamin’ity fifidianana ity. Nidina tany amin’ny kaomonona ny filohan’ny CENI distrika Ihosy sy ny mpiara miasa aminy ka nangorona karam-pifidianana tsy voazara mihisa 5252; tao amin’ny Fokontany Tsaratanana, Fokontany Ambalafary ary Fokontany Magatoka. Misy profo avokoa izany ary efa natolotra ny fitsarana. Nisy ihany koa ny fanagiazana kara-pifidianana ka tratra tao amin’ny ekipan’ny kandinda mpifanina mivantana izany, izay miisa 392. Nalain’ny zandary sy ny polisy ary ny lehiben’ny boriborin-tany izany kara-pifidianana izany. Nambaran’ny kandida Zidane fa voaporofony teo anatrehan’ny tribonaly fa tena nampiasa lisitra vaovao misy fitomboky ny CENI no nampisy fikorotanana io ny kandida mifaninana aminy sy ny ekipany ary efa niaiky izy io teny amin’ny fitsarana. Noho izany dia Biraom-pifidianana 17 amin’ny 34 nahitana porofo mivaigana mahakasika fanakalozana lisimpifidianana (liste de verification) no nofoanan’ny tribonaly tao Fianarantsoa, ka namoahany ny didim-pitsarana lah-67/25/TA/FI/EL/COM ny 19 janoary 2025, izay tokony hisy fanitsiana vokam-pifidianana raha no tokony ho izy satria mbola misy vato manankery 2575 tao amin’ny biraom-pifidianana 17 anaty fokontany dimy tavela. Raha ny isam-bato manankery tavela no nanitsiana ny vokapifidianana dia mandresy mazava be ny kandida Ratsimanotry. Tsy izay anefa no niseho fa ny 22 janoary dia namoaka didy lah 105/25-TA/FI/EL/COM ny fitsarana tao Fianarantsoa ka nandidy ny hamerenana ny fifidianana ao amin’ny kaominina Andohanilakaka. Samy tsy nanaiky ny kandida roa tonta ka nampiakatra fitsarana fandravana izay marihina fa hatao ny Alarobia 19 Desambra 2025 ho avy izao. Araka ny angom-baovao voamarina, hoy ny avy amin’ny kandida Zidane misy ny tsikombakomba tamin’ny filoha lefitry ny Ceni distrika Ihosy. Andrasana ny tohiny fitsarana fandravana ary miandrandra ny fivoahan’ny didy ny Vahoakan’ny kaominina Andohanilakaka.
Yv Sam





