- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsarasaotra-Ivato : Misy mitoraka fiara amin'ny alina

Tsarasaotra-Ivato : Misy mitoraka fiara amin’ny alina

Miverina ary mihamafy indray ny ahiahy eo amin’ireo mpamily fiara fitaterana lavitra rehefa mandeha amin’ny lalan’i Tsarasaotra amin’ny alina. Ny alin’ny alarobia 12 novambra tokony ho tamin’ny 10 ora no tratran’ny tranga nahatahotra indray ny fiara Grand Starex iray, rehefa notorahana vato tampoka ka vaky ny fitaratra aloha. Araka ny tatitry ny mpamily, avy nitondra mpialasasatra avy any Mahajanga izy ireo ka tratra alina teto Antananarivo. Satria mbola nisy olona naterina tao amin’ny La City Ivandry, dia voatery nandalo tamin’ny lalan’i Tsarasaotra ilay “caravane” fiara roa. Nilaza mialoha ny mpamily fa sahirana sy ahiana ity lalana ity rehefa maizina, saingy iny lalana nitarihan’ny fianakavian’ny olona nanofa tao anaty fiara iray, no notadiavina ka tsy maintsy narahina. Taitra tampoka ny rehetra raha nandre fidoboka mafy teo amin’ny fitaratra, izay vaky avy hatrany. Soa fa tsy nisy naratra, saingy nampisafotofoto tanteraka ireo mpandeha sy nahatonga tahotra be teo amin’ny mpamily, izay efa nandre tsaho hatrany amin’ny toe-draharaha mampanahy eny amin’io faritra io rehefa alina. Antso avo no ataon’ireto mpitatitra amin’ny tompon’andraikitra, mba hijery akaiky sy hitondra vahaolana amin’ny tranga toy izao. Nambaran’izy ireo fa “ain’olona no entinay, ary tafahoatra ny tebiteby iainan’ny mpamily amin’ny lalana mampiahiahy tahaka izao”.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici